plt_tn/psa/023/004.md

20 lines
970 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ity salamo ity dia manohy manambara momba an'Andriamanitra miahy antsika toy ny mpiandry ondry miahy ny ondriny.
# Na dia mandeha mamakivaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho
Ny mpanoratra mamaritra olona iray mandalo fahoriana mahatsiravina tahaka ny hoe ondry mandeha amin'ny aizina sy havoana mampidi-doza. Ary mety ho very any ilay ondry na asian'ny bibidia. DH: "Na dia tahaka mandeha amin'ny aizina sy havoana mampidi-doza aza ny fiainako"
# tsy hatahotra loza aho
Ny anarana hoe "loza" dia azo ambara ho matoanteny. DH: "Tsy hatahotra izay zavatra hamely ahy aho"
# Ianao momba ahy
Eto ny "Ianao" dia manondro an'i Yaveh.
# ny tsora-kazonao sy ny tehinao no mampahery ahy
Ny tsora-kazo sy tehina maneho fiarovana satria mampiasa ireo ny mpiandry ondry hiarovana ny ondriny amin'ny loza. DH: "Tsy hatahotra aho satria Ianao miaro ahy tahaka ny mpiandry ondry miaro ny ondriny amin'ny tsora-kazo sy tehina"