plt_tn/psa/010/008.md

1.2 KiB

Mikendry miafina tsy lavitra ireo tanàna izy

Ny teny hoe "izy" dia manondro ny lehilahy ratsy fanahy.

mitady ireo niharam-boina tsy afa-manoatra ny masony

Ny maso dia maneho azy. DH: "mitady ireo niharam-boina tsy afa-manoatra izy"

Miafina ao amin'ny mangina toy ny liona ao anaty kirihitrala izy

Miteny ny olona ratsy fanahy izany toy ny hoe liona izy. DH: "Miery izy raha miandry an'ireo tsy manan-kery handalo eo aminy, mitovy amin'ny liona miandry moramora ao amin'ny lava-biby iriany hamelezana."

Miafina

Miandry amin'ny fikasana hamelezana na hamonoana.

miery izy hikendrena

"miafina izy ary mikendry

Mahasambotra ny ory izy rehefa misintona ny haratony

Ny mpanoratra milaza ny olona ratsy fanahy misambotra olona toy ny hoe mpihaza mampiasa harato hisamborana biby. DH: "Misambotra ny ory tahaka ny mpihaza misambotra biby ao amin'ny harato izy ary mitondra izany."

tafalatsaka ao anatin'ny haratony lehibe izy ireo

Ny mpanoratra manohy milaza ny olona ratsy fanahy misambotra olona toy ny mpihaza, ny drafiny dia harato, ary ireo olona dia biby izay milatsaka ao amin'ny haratony. DH: "voasambotra ao amin'ny haratony toy ny biby mianjera ao anaty harato lehiben'ny mpihaza ireo hazany."