plt_tn/psa/010/004.md

28 lines
1.1 KiB
Markdown

# Ny olona ratsy fanahy
Manondro olona amin'ny ankapobeny izany eto. DH: "ny olona ratsy fanahy" (UDB)
# Nanandratra ny tavany
Ny tava asandratra dia maneho fireharehana na fiavonavonana. DH: "manana toe-tsaina mpirehareha" na "mirehareha"
# tsy mitady an'Andriamanitra izy
Ny fitadiavana an'Andriamanitra dia maneho na 1)mangataka fanampiana amin'Andriamanitra na 2)mihevitra momba an'Andriamanitra sy mankatò Azy. DH: "tsy mangataka fanampiana amin'Andriamanitra izy" na "tsy mihevitra an'Andriamanitra izy"
# Voaaro amin'ny fotoana rehetra izy
"Azo antoka amin'ny fotoana rehetra izy." Tsy dia mandry fahalemana loatra izy, nefa izy mihevitra fa izany tokoa.
# ny didinao marina dia avo loatra ho azy
Ny zavatra izay saro-takarina dia lazaina toy ny hoe avo loatra ka tsy tratra. DH: "tsy mahatakatra ny didinao marina izy"
# mierona amin'ireo fahavalony rehetra izy
Ny olona mierona amin'ireo fahavalony rehefa mihevitra izy fa malemy sy tsy misy dikany ireo fahavalo. DH: "mihevitra izy fa malemy sy tsy misy dikany avokoa ireo fahavalony" na "mihomehy ireo fahavalony izy"
# mierona izy
Midika izany fa mamoaka rivotra mafy eo amin'ny orony izy.