plt_tn/psa/010/004.md

1.1 KiB

Ny olona ratsy fanahy

Manondro olona amin'ny ankapobeny izany eto. DH: "ny olona ratsy fanahy" (UDB)

Nanandratra ny tavany

Ny tava asandratra dia maneho fireharehana na fiavonavonana. DH: "manana toe-tsaina mpirehareha" na "mirehareha"

tsy mitady an'Andriamanitra izy

Ny fitadiavana an'Andriamanitra dia maneho na 1)mangataka fanampiana amin'Andriamanitra na 2)mihevitra momba an'Andriamanitra sy mankatò Azy. DH: "tsy mangataka fanampiana amin'Andriamanitra izy" na "tsy mihevitra an'Andriamanitra izy"

Voaaro amin'ny fotoana rehetra izy

"Azo antoka amin'ny fotoana rehetra izy." Tsy dia mandry fahalemana loatra izy, nefa izy mihevitra fa izany tokoa.

ny didinao marina dia avo loatra ho azy

Ny zavatra izay saro-takarina dia lazaina toy ny hoe avo loatra ka tsy tratra. DH: "tsy mahatakatra ny didinao marina izy"

mierona amin'ireo fahavalony rehetra izy

Ny olona mierona amin'ireo fahavalony rehefa mihevitra izy fa malemy sy tsy misy dikany ireo fahavalo. DH: "mihevitra izy fa malemy sy tsy misy dikany avokoa ireo fahavalony" na "mihomehy ireo fahavalony izy"

mierona izy

Midika izany fa mamoaka rivotra mafy eo amin'ny orony izy.