plt_tn/psa/004/006.md

1.6 KiB

iza no mba hampiseho anay zava-tsoa?

Ity fanontaniana ity dia ampiasaiana na mangataka zavatra na manambara firariana momban'ny zavatra izay tsy mbola niseho. DH: "Mampisehoa re zava-tsoa aminay" na "Mirary izahay ny mba hisy olona hampiseho azay zava-tsoa"

iza no mba hampiseho anay zava-tsoa?

Ny fampisehoana zava-tsoa dia manambara fa na mitondra zava-tsoa na milaza zava-tsoa izay efa niseho. DH: "Iza no mba hitondra zava-tsoa ho anay?" na "Iza no hilaza fa nisy zava-tsoa efa niseho?"

asandrato aminay ny fahazavan'ny tavanao

Ny mpanoratra dia miresaka an'i Yaveh miseho amim-pankasitrahana amin'izy ireo toy ny hoe namirapiratra hazavana tamin'izy ireo ny tavan'i Yaveh. DH: "mihetseha aminay amim-pankasitrahana"

Ianao no efa nanome ny foko hafaliana mihoatra

Ny fo dia mampiseho ny olona. DH: "Inao efa nanome ahy fifaliana mihoatra"

Ianao no efa nanome ny foko hafaliana mihoatra noho ny an'ny hafa

Ny fifaliana dia lazaina ho toy ny zavatra izay azo omena. DH: "Ianao no efa nanao ahy ho faly mihoatra noho ny hafa"

rehefa mitobaka ny varin'izy ireo sy ny divainy vaovao

"Divay vaovao" dia manambara voaloboka. DH: "rehefa hijinja vokatra be dia be amin'ny vary sy voaloboka izy ireo"

Am-piadanana no handriako sy hatoriako

Ny fiadanana dia lazaina ho toy ny toerana. DH: "Hiadana aho raha handry sy hatory" na "Tsy hatahotra ny loza aho raha handry sy hatory"

mahatonga ahy ho azo antoka sy voaaro

Ny teny hoe "azo antoka" sy "voaaro" amin'ny ankapobeny dia midika zavatra mitovy ary manamafy fiarovana tanteraka. DH: "mahatonga ahy voaaro tanteraka."