plt_tn/psa/004/006.md

32 lines
1.6 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# iza no mba hampiseho anay zava-tsoa?
Ity fanontaniana ity dia ampiasaiana na mangataka zavatra na manambara firariana momban'ny zavatra izay tsy mbola niseho. DH: "Mampisehoa re zava-tsoa aminay" na "Mirary izahay ny mba hisy olona hampiseho azay zava-tsoa"
# iza no mba hampiseho anay zava-tsoa?
Ny fampisehoana zava-tsoa dia manambara fa na mitondra zava-tsoa na milaza zava-tsoa izay efa niseho. DH: "Iza no mba hitondra zava-tsoa ho anay?" na "Iza no hilaza fa nisy zava-tsoa efa niseho?"
# asandrato aminay ny fahazavan'ny tavanao
Ny mpanoratra dia miresaka an'i Yaveh miseho amim-pankasitrahana amin'izy ireo toy ny hoe namirapiratra hazavana tamin'izy ireo ny tavan'i Yaveh. DH: "mihetseha aminay amim-pankasitrahana"
# Ianao no efa nanome ny foko hafaliana mihoatra
Ny fo dia mampiseho ny olona. DH: "Inao efa nanome ahy fifaliana mihoatra"
# Ianao no efa nanome ny foko hafaliana mihoatra noho ny an'ny hafa
Ny fifaliana dia lazaina ho toy ny zavatra izay azo omena. DH: "Ianao no efa nanao ahy ho faly mihoatra noho ny hafa"
# rehefa mitobaka ny varin'izy ireo sy ny divainy vaovao
"Divay vaovao" dia manambara voaloboka. DH: "rehefa hijinja vokatra be dia be amin'ny vary sy voaloboka izy ireo"
# Am-piadanana no handriako sy hatoriako
Ny fiadanana dia lazaina ho toy ny toerana. DH: "Hiadana aho raha handry sy hatory" na "Tsy hatahotra ny loza aho raha handry sy hatory"
# mahatonga ahy ho azo antoka sy voaaro
Ny teny hoe "azo antoka" sy "voaaro" amin'ny ankapobeny dia midika zavatra mitovy ary manamafy fiarovana tanteraka. DH: "mahatonga ahy voaaro tanteraka."