plt_tn/psa/003/007.md

1.1 KiB

Mitsangàna

Davida miteny ny fanombohana hanao zavatra ho mitsangana. DH: "Mihetseha" na "Manova zavatra"

hamely ireo fahavalo rehetra ... hamotika ny nifin'ireo ratsy fanahy

Ireo andianteny ireo dia milaza zavatra tena mitovy. Ilay andianteny "ireo fahavaloko" sy "ireo ratsy fanahy" dia manondro vondron'olona mitovy ihany.

Fa hamely ireo fahavalo rehetra eo amin'ny valanorano Ianao

Izany no fomba iray haniratsirana olona. Davida dia miteny toy ny hoe Yaveh tenany mihitsy no tonga ka mamely ireo fahavalony. DH: "Fa Ianao no haniratsira ny fahavaloko rehetra tahaka ny olona mamely azy ireo eo amin'ny valanoranony"

hamotika ny nifin'ireo ratsy fanahy Ianao

Ny biby dia mamely amin'ny nify. Ny famakiana ny nifiny dia manala ny fahefany hamely. Davida miteny toy ny hoe Yaveh tenany mihitsy no tonga ka miady amin'ny ratsy fanahy. DH: "Hanao ny ratsy fanahy ho tsy afa-mamely ahy Ianao, tahaka ny olona mamaky ny nifin'ny biby masiaka"

Avy amin'i Yaveh ny famonjena

Ny anarana fintina "famonjena" dia azo lazaina amin'ny matoanteny "mamonjy." DH: "Yaveh mamonjy ny olony"