plt_tn/psa/002/012.md

790 B

Orohy ny zanaka lahy

Mampiseho amin'ny mpanjaka ny vahoaka fa tsy nivadika taminy izy ireo amin'ny alalan'ny fanorohana azy, angamba eo amin'ny tongotra. DH: "Mampisehoa amin'ny zanaka lahy fa tsy mivadika aminy marina ianao" na "Miankohofa amim-panetretena anatrehan'ny zanaka"

ho faty an-dalana ianao

Mety manondro izany fa ho faty any mihitsy ianao, mialohan'ny hahazoan'ny olona anjara hitsoaka. DH: "Ho faty eo noho eo ianao"

rehefa mirehitra mandritra ny fotoana fohy ny hatezerany

Ny hatezeran'ny mpanjaka dia azo lazaina koa ho tahaka ny afo izay afaka mandoro. DH: "rehefa miova tampoka ho tezitra izy"

mitady fialofana ao Aminy

Ny fangatahana fiarovana amin'ny mpanjaka dia lazaina koa hoe mitady fialofana ao aminy. DH: "mangataha amin'ny mpanjaka hiaro azy ireo"