plt_tn/pro/31/26.md

927 B

Manokatra ny vavany amin'ny fahendrena

Ny fanokafana ny vavany dia ilazana ny fitenenana. Ny anarana hoe "fahendrena " dia azo adika amin'ny endrika tambinteny na mpamari-toetra. DH: "miteny am-pahendrena izy" na "milaza teny hendry izy"

eo amin'ny lelany ny lalàn'ny hatsaram-panahy

Ny andian-teny hoe "eo amin'ny lelany" dia ilazana ny fitenenana, satria isan'ny momba ny vava ny lela. Ny andian-teny hoe "ny lalàn'ny hatsaram-panahy" dia ilazana ny fampianarana ny olona ho tsara fanahy. DH: "mampianatra ny olona ho tsara fanahy izy"

Miambina ny lalan'ny ankohonany

Ny teny hoe "lalana" dia ilazana ny fomba fiainan'ny olona. DH: "ataony azo antoka fa miaina amin'ny fomba ankasitrahan'Andriamanitra ny ankohonany"

tsy mihinana ny mofon'ny fahalainana

Ny hoe "mihinana ny mofon'ny" zavatra iray dia midika fanaovana zavatra iray. DH: "tsy malaina izy"

fahalainana

tsy manao na inona na inona sady kamo