plt_tn/pro/30/07.md

1.1 KiB

Alaviro ahy ny zava-poana sy ny lainga

Ireo mety hoe heviny dia 1) "Aza avela hiteny zava-poana sy lainga amiko ny olona" na 2) "Aza avela hiteny zava-poana sy lainga aho"

zava-poana

teny diso, tsy misy ilàna azy

Aza omena ahy na ny fahantrana na ny harena

Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe zavatra mivaingana izay azon'ny olona iray omena ny hafa ny "fahantrana" sy "harena"—anarana izay azo adika amin'ny endrika mpamari-toetra. DH: "Aza avela hahatra na hanakarem-be aho"

raha manana be loatra aho, dia mety handà anao ka hiteny hoe

Io dia mamaritra toe-javatra mbola petra-kevitra izay tsy nitranga fa mety hitranga raha lasa mpanan-karena ilay mpanoratra.

raha tonga mahantra aho, dia mety hangalatra ka handoto ny anaran'ny Andriamanitro

Io dia mamaritra toe-javatra mbola petra-kevitra izay tsy nitranga fa mety hitranga raha lasa mahantra ilay mpanoratra.

mety hangalatra ka handoto ny anaran'ny Andriamanitro

"Mety hahatonga ireo olona izay mahalala ny fangalarako zavatra hivevitra aho fa tsy misy Andriamanitra" na "Mety hanimba ny lazan'Andriamanitra amin'ny fangalarana aho"