plt_tn/pro/29/15.md

940 B

Ny tsorakazo sy ny anatra dia manome fahendrena

Toy ny hoe olona izay afaka manome fahendrena ho fanomezana mivaingana ny tsorakazo sy ny anatra araha ny firesaky ny mpanoratra.

Ny tsorakazo

Ny ray aman-dreny tany Israely dia nampiasa tsorakazo mba ho fitaovana hamaizana ny ankizy amin'ny fikapohana azy ireo. DH: "famaizana"

anatra

Rehefa manome fananarana olona iray hafa ny olona, na mananatra azy, dia ambarany amin'izany olona izany fa tsy manaiky ny ataon'ilay iray hafa izy.

mitombo ny fandikan-dalàna

Ny anarana hoe "fandikan-dalàna" dia azo adika amin'ny endrika matoanteny. DH: "ho maro kokoa ny olona handika lalàna ary hiharatsy lavitra ny fahotan'izy ireo"

ny fionganan'ny olona ratsy fanahy

Ny anarana hoe "fionganana" dia azo adika amin'ny matoanteny "miongana," izay sarinteny ilazana ny fahaverezan'ny fahefana hanjaka. DH: "hiongana ireo ratsy fanahy" na "very ny fahefan'ireo ratsy fanahy hanjaka"