plt_tn/pro/29/15.md

20 lines
940 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Ny tsorakazo sy ny anatra dia manome fahendrena
Toy ny hoe olona izay afaka manome fahendrena ho fanomezana mivaingana ny tsorakazo sy ny anatra araha ny firesaky ny mpanoratra.
# Ny tsorakazo
Ny ray aman-dreny tany Israely dia nampiasa tsorakazo mba ho fitaovana hamaizana ny ankizy amin'ny fikapohana azy ireo. DH: "famaizana"
# anatra
Rehefa manome fananarana olona iray hafa ny olona, na mananatra azy, dia ambarany amin'izany olona izany fa tsy manaiky ny ataon'ilay iray hafa izy.
# mitombo ny fandikan-dalàna
Ny anarana hoe "fandikan-dalàna" dia azo adika amin'ny endrika matoanteny. DH: "ho maro kokoa ny olona handika lalàna ary hiharatsy lavitra ny fahotan'izy ireo"
# ny fionganan'ny olona ratsy fanahy
Ny anarana hoe "fionganana" dia azo adika amin'ny matoanteny "miongana," izay sarinteny ilazana ny fahaverezan'ny fahefana hanjaka. DH: "hiongana ireo ratsy fanahy" na "very ny fahefan'ireo ratsy fanahy hanjaka"