plt_tn/pro/27/05.md

1.0 KiB

Aleo anatra ampahibemaso

Ny anarana hoe "anatra" dia azo ambara amin'ny matoanteny "anarina." DH: "aleo anarina ampahibemaso"

toy izay fitia afenina

"toy izay fitia tsy aseho ampahibemaso." Ny anarana hoe "fitia" dia azo adika amin'ny endrika andian-teny misy matoanteny. DH: "toy izay tiavina an-kiafinafina"

Mahatoky ny ratra ataon'ny namana

"Azo itokiana ny ratra ataon'ny namana." Ny teny hoe "ratra" eto dia ilazana ny fanaintainana sy ny alahelo izay tsapan'ny olona rehefa mibedy na mananatra ny namana.

Mahatoky ny ratra ataon'ny namana

Ny fahamendreham-pitokisan'ny fibedezan'ny namana dia resahina toy ny hoe ilay alahelo ateraky ny fibedesany no azo itokisana. DH: "Na dia miteraka alahelo aza, dia azo itokisana ny fibedesan'ny namana"

fa ny fahavalo dia mety hanoroka mitafotafo anao

Azo atao mazava tsara fa ny oroky ny fahavalo dia tsy azo atokisana. DH: "fa ny oroky ny fahavalo mitafotafo dia tsy azo itokisana" na "fa mety hitady hamitaka anao amin'ny fanorohana mitafotafo anao ny fahavalo"

mitafotafo

"be loatra"