plt_tn/pro/26/24.md

1.7 KiB

manarona ny fihetseham-pony amin'ny molony

Ny fanaronana ny fihetseham-po dia ilazana ny tsy fampahafantarana izay fihetseham-pony amin'ny olona. Ny teny hoe "ny molony" dia ilazana izay lazainy. DH: "manafina ny fihetseham-pony amin'izay lazainy" na "miteny amin'ny fomba izay tsy ahafahan'ny olona mahalala ny tena fihetseham-pony"

mandrakitra fitaka ao anatiny ihany

Ny famitahana dia resahina toy ny hoe manangona fitaka ao anaty. Ny mety ho heviny dia maneho lainga ny "fitaka." DH: "tiany ny laingany isan-karazany" na 2) maneho tetika hanisy ratsy olona ny fitaka. DH: "mitetika mangingina ny hanisy ratsy olona izy"

saingy aza mino azy

"aza mino izay lazainy"

satria misy fahavetavetana fito ao am-pony

Ny isa fito dia maneho ny fahafenoana. Ireo mety ho heviny dia 1) ny "fahavetavetana" dia manehi toetra izay halan'Andriamanitra. DH: "fa feno zavatra feno fankalahalana tanteraka ny fony" na 2) ny "fahavetavetana" dia maneho ny fankahalany ny olona. DH: "fa ny fony dia feno fankahalana tanteraka"

Na dia voasarona fitaka aza ny fankahalany

Io dia azo adika hoe DH: "Na dia manarona ny fankahalany aza ny fitaka" na "Na dia saronany amin'ny fitaka aza ny fankahalany"

Na dia voarakotra fitaka aza ny fankahalany

Ny tsy fampahafantarana ny fankahalany azy ireo dia resahina toy ny hoe manarona ny fankahalany izy. DH: "Na dia mandainga aza izy mba tsy ampahafantarana ny olona ny fankahalany azy ireo" na "Na dia mandainga aza izy mba tsy ahafantaran'ny olona fa halany izy ireo"

dia haharihary eo amin'ny fiangonana ny faharatsiany

Ny fampiharihariana dia ilazana ny hoe tratra na fantatra. DH: "ho zary fantatra eo amin'ny fiangonana ny faharatsiany"

ny fiangonana

"ny fivondronan'Israely"