plt_tn/pro/26/05.md

994 B

Valio ny adala ary miraisa amin'ny adalany

Ny firaisana amin'ny adalan'ny adala amin'ny famaliana azy dia maneho ny famaliana azy amin'ny fomba adaladala. DH: "Valio araka ny adalany ny adala" na "Valio amin'ny fiadaladalana ny adala"

dia tsy ho hendry eo imasony ihany izy

Ny hoe eo imasony dia maneho ny fahitana, ary ny fahitana dia maneho fihevitra sy fitsarana. DH: "mba tsy hanjary ho hendry araka ny fitsarany ihany izy" na "mba tsy hihevi-tena ho hendry izy"

Na iza na iza mandefa hafatra amin'ny tanan'ny adala

Eto ny tanana dia maneho ny andraikitry ny adala amin'ny fitondrana hafatra. DH: "Izay rehetra mandefa adala hitondra hafatra"

manapaka ny tongony ihany sady misotro herisetra

Ny fanapahana ny tongotry ny olona iray sy ny fisotroana herisetra dia ilazana ny famelezana ny tena. DH: "mameli-tena tahaka ny olona izay manapaka ny tongony ihany sady misotro herisetra"

misotro herisetra

Ny herisetra dia resahina toy ny hoe rano izay afaka sotroin'ny olona.