# Valio ny adala ary miraisa amin'ny adalany Ny firaisana amin'ny adalan'ny adala amin'ny famaliana azy dia maneho ny famaliana azy amin'ny fomba adaladala. DH: "Valio araka ny adalany ny adala" na "Valio amin'ny fiadaladalana ny adala" # dia tsy ho hendry eo imasony ihany izy Ny hoe eo imasony dia maneho ny fahitana, ary ny fahitana dia maneho fihevitra sy fitsarana. DH: "mba tsy hanjary ho hendry araka ny fitsarany ihany izy" na "mba tsy hihevi-tena ho hendry izy" # Na iza na iza mandefa hafatra amin'ny tanan'ny adala Eto ny tanana dia maneho ny andraikitry ny adala amin'ny fitondrana hafatra. DH: "Izay rehetra mandefa adala hitondra hafatra" # manapaka ny tongony ihany sady misotro herisetra Ny fanapahana ny tongotry ny olona iray sy ny fisotroana herisetra dia ilazana ny famelezana ny tena. DH: "mameli-tena tahaka ny olona izay manapaka ny tongony ihany sady misotro herisetra" # misotro herisetra Ny herisetra dia resahina toy ny hoe rano izay afaka sotroin'ny olona.