plt_tn/pro/20/09.md

665 B

Iza no afaka miteny hoe: "Efa nihazona ny foko hadio aho; afaka amin'ireo otako ve aho"?

Ny valinteny ambadik'io fanontaniana io dia hoe "Tsy misy afaka milaza izany." Io fanontaniana fampisainana io dia azo atao amin'ny endrika fanambarana an-tsoratra. DH: "Tsy misy afaka milaza fa madio ny fony ary afaka amin'ny fahotany izy"

ny foko

Eto dia amin'ny "fony" no iresahana ny olona iray mba hanindriana ny amin'ny eritreriny sy ny faniriany. DH: "ny tenako"

hadio

Ny olona izay raisin'Andriamanitra ho azo ekena ara-panahy dia resahina toy ny hoe madio ara-batana ilay olona.

afaka amin'ireo otako ve aho

"tsy misy fahotana aho" na "tsy nanota aho"