plt_tn/pro/20/05.md

1017 B

Ny tanjona ao am-pon'ny olona dia tahaka ny rano lalina

Ny fahasarotan'ny fahazoana ny anton'ny zavatra nataon'ny olona iray dia ampitahaina amin'ny fahasarotan'ny fahatakarana ny rano any anaty fantsakana lalina. DH: "Sarotra tahaka ny mahazo rano ao anaty fantsakana lalina ny mahazo ny tanjona ao am-pon'ny olombelona" na "Ny tanjona ao am-pon'ny olombelona dia saro-takarina"

fa ny olona izay manam-pahalalana

"olona manana fahazavan-tsaina"

hamoaka azy

Ny fahafantarana ny tanjona ao am-pon'ny olona dia resahina toy ny hoe rano notovozina avy ao anaty fantsakana lalina. DH: "hahatonga ny tanjona ho fantatra" na "hahafantatra izany"

tsy mpivadika

"mahatoko" "mendri-pitokisana"

saingy iza no afaka hahita olona mahatoky?

Ny valinteny ambadik'izany dia hoe "vitsy no afaka hahita olona tahaka izany." Io fanontaniana fampisainana io dia azo atao amin'ny endrika fanambarana an-tsoratra. DH: saingy vitsy ny olona afaka mahita olona mahatoky" na "saingy sarotra ny mahita olona tena mahatoky"