plt_tn/pro/20/01.md

40 lines
1.4 KiB
Markdown

# Ny divay dia mpaniratsira ary ny zava-pisotro mahery dia mpitabataba
Ireo andian-teny roa ireo dia mitovitovy hevitra ihany ary nakambana mba hanindriana ny amin'ny fahalozan'ny alikaola be loatra.
# Ny divay dia mpaniratsira
Eto ny "divay" dia ilazana ny olona izay mamon-divay. DH: "Ny olona mamon-divay dia maniratsira"
# ny zava-pisotro mahery dia mpitabataba
Eto ny "zava-pisotro mahery" dia ilazana ny olona izay mamon'ny zava-pisotro mahery. DH: "ny olona izay mamon'ny zava-pisotro mahery dia mitarika ady"
# mpitabataba
olona izay miady amin'ny feo mitabataba, matetika dia eny ankalamanjana
# izay voavily lalana amin'ny ny fisotroana amin'ny lalan-diso dia tsy hendry
Io dia azo atao hoe DH: "izay rehetra misotro foana raha tsy efa tsy afaka misaina tsara intsony"
# amin'ny ny fisotroana
Eto ny "fisotroana" dia maneho fisotroana zava-pisotro misy alikaola.
# tsy hendry
Mifanohitra amin'ny "hendry" no dikan'izany, izany hoe "adala." DH: "adala"
# Ny tahotra ny mpanjaka dia tahaka ny tahotra ny liona tanora izay mierona
Mampitaha ny fatahoran'ny olona ny fahatezeran'ny mpanjaka amin'ny fatahoran'izy ireo ny liona mierona io. DH: "Mampatahotra ny olona tahaka ny fatahorany ny hifanatrika amin'ny liona tanora mierona ny fahatezeran'ny mpanjaka"
# mampahatezitra azy
"mampatezitra ny mpanjaka"
# manary ny ainy
Ilazana ny mpanjaka voavono io. Ny "aina" eto dia ilazana ny fiainana ara-nofo. DH: "ho faty"