plt_tn/pro/20/01.md

1.4 KiB

Ny divay dia mpaniratsira ary ny zava-pisotro mahery dia mpitabataba

Ireo andian-teny roa ireo dia mitovitovy hevitra ihany ary nakambana mba hanindriana ny amin'ny fahalozan'ny alikaola be loatra.

Ny divay dia mpaniratsira

Eto ny "divay" dia ilazana ny olona izay mamon-divay. DH: "Ny olona mamon-divay dia maniratsira"

ny zava-pisotro mahery dia mpitabataba

Eto ny "zava-pisotro mahery" dia ilazana ny olona izay mamon'ny zava-pisotro mahery. DH: "ny olona izay mamon'ny zava-pisotro mahery dia mitarika ady"

mpitabataba

olona izay miady amin'ny feo mitabataba, matetika dia eny ankalamanjana

izay voavily lalana amin'ny ny fisotroana amin'ny lalan-diso dia tsy hendry

Io dia azo atao hoe DH: "izay rehetra misotro foana raha tsy efa tsy afaka misaina tsara intsony"

amin'ny ny fisotroana

Eto ny "fisotroana" dia maneho fisotroana zava-pisotro misy alikaola.

tsy hendry

Mifanohitra amin'ny "hendry" no dikan'izany, izany hoe "adala." DH: "adala"

Ny tahotra ny mpanjaka dia tahaka ny tahotra ny liona tanora izay mierona

Mampitaha ny fatahoran'ny olona ny fahatezeran'ny mpanjaka amin'ny fatahoran'izy ireo ny liona mierona io. DH: "Mampatahotra ny olona tahaka ny fatahorany ny hifanatrika amin'ny liona tanora mierona ny fahatezeran'ny mpanjaka"

mampahatezitra azy

"mampatezitra ny mpanjaka"

manary ny ainy

Ilazana ny mpanjaka voavono io. Ny "aina" eto dia ilazana ny fiainana ara-nofo. DH: "ho faty"