plt_tn/pro/19/11.md

1.1 KiB

Ny fisainana mazava mahatonga ny olona tsy ho mora tezitra

"Ny olona manana fahamailoana dia tsy mora tezitra"

Ny fahamalinana

Fahalalana izay tokony hatao amin'ny toe-javatra iray manokana ny dikan'io. Adikao araka ny nataonao tao amin'ny 1:4 io teny io.

voninahitra ho azy tsy mijery

"mitondra voninahitra ho azy ny manadino" na "ho raisin'ny hafa voninahitra ny fanadinoany"

tsy mijery

minia manadino

Ny fahatezeran'ny mpanjaka dia tahaka ny fieron'ny liona tanora

Eto ny fieron'ny liona dia entina ilazana ny fanafihana. Ny fahatezeran'ny mpanjaka dia ampitahaina amin'ny fanafiahana tsy ampizina sy mampidi-doza ataon'ny liona tanora. DH: "Ny fahatezeran'ny mpanjaka dia mampidi-doza tahaka ny fanafihan'ny liona tanora"

fa ny sitrany kosa dia tahaka ny ando amin'ny ahitra

Ny fankasitrahan'ny mpanjaka dia ampitahaina amin'ny rano mamelombelona izay mipoitra eny amin'ny ahitra amin'ny maraina. DH: "fa ny fankasitrahany dia tahaka ny ando eny amin'ny ahitra" na "fa ny fankasitrahany dia mamelombelona tahaka ny ando eo amin'ny tany amin'ny maraina"