plt_tn/pro/18/19.md

1.4 KiB

Ny rahalahy tafintohina dia sarotra azo noho ny tanàna mahery

Ny fahasarotan'ny fihavanana amin'ny rahalahy izay tafintohina noho ianao dia ampitahaina amin'ny fahasarotan'ny fandresena amin'ny ady manohitra tanàna mahery iray. DH: "Raha manohina ny rahalahinao ianao, dia ho sarotra noho ny manangana ady handresena tanàna mahery iray ny ahitana fomba hihavanana aminy"

ny fifandirana dia toy ny hidin'ny lapa

Ny fahasarotan'ny fandravonana ady dia ampitahaina amin'ny fahasarotan'ny famotehana ny hidin'ny lapa. DH: "sarotra tahaka ny famotehana ny hidin'ny lapa ny fandravonana ady"

lapa

toerana voaaro

Avy amin'ny vokatry ny vavany no maha-feno ny kibon'ny olona iray; amin'ny vokatry ny molony no maha-afapo azy

Ireo andalana roa ireo dia mitovy hevitra ary miara-ampiasaina mba hanindriana izay voalaza. Natambatra ireo. DH: "Ny olona izay afapo amin'ny vokatry ny zava-tsoa lazainy"

ny vokatry ny vavany

Ny zavatra tsara izay lazain'ny olona dia resahina toy ny hoe vokatra izay avy amin'ny vavany. DH: "ny teny hendriny" na "ny teny soany"

mahafeno ny kibon'ny olona iray

Ny olona izay afapo na faly amin'ny vokatr'izay nolazainy dia resahina toy ny hoe nihinana izy ireo ka voky. DH: "afapo ny olona iray"

vokatry ny molony

Ny zava-tsoa izay lazain'ny olona iray dia resahina toy ny hoe vokatra izay jinjaina. DH: "ny teny hendriny" na "ny teny soany"

maha-afapo azy

"mahafaly azy"