plt_tn/pro/18/19.md

32 lines
1.4 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Ny rahalahy tafintohina dia sarotra azo noho ny tanàna mahery
Ny fahasarotan'ny fihavanana amin'ny rahalahy izay tafintohina noho ianao dia ampitahaina amin'ny fahasarotan'ny fandresena amin'ny ady manohitra tanàna mahery iray. DH: "Raha manohina ny rahalahinao ianao, dia ho sarotra noho ny manangana ady handresena tanàna mahery iray ny ahitana fomba hihavanana aminy"
# ny fifandirana dia toy ny hidin'ny lapa
Ny fahasarotan'ny fandravonana ady dia ampitahaina amin'ny fahasarotan'ny famotehana ny hidin'ny lapa. DH: "sarotra tahaka ny famotehana ny hidin'ny lapa ny fandravonana ady"
# lapa
toerana voaaro
# Avy amin'ny vokatry ny vavany no maha-feno ny kibon'ny olona iray; amin'ny vokatry ny molony no maha-afapo azy
Ireo andalana roa ireo dia mitovy hevitra ary miara-ampiasaina mba hanindriana izay voalaza. Natambatra ireo. DH: "Ny olona izay afapo amin'ny vokatry ny zava-tsoa lazainy"
# ny vokatry ny vavany
Ny zavatra tsara izay lazain'ny olona dia resahina toy ny hoe vokatra izay avy amin'ny vavany. DH: "ny teny hendriny" na "ny teny soany"
# mahafeno ny kibon'ny olona iray
Ny olona izay afapo na faly amin'ny vokatr'izay nolazainy dia resahina toy ny hoe nihinana izy ireo ka voky. DH: "afapo ny olona iray"
# vokatry ny molony
Ny zava-tsoa izay lazain'ny olona iray dia resahina toy ny hoe vokatra izay jinjaina. DH: "ny teny hendriny" na "ny teny soany"
# maha-afapo azy
"mahafaly azy"