plt_tn/pro/16/23.md

1016 B

Ny fon'ny olon-kendy manome

Eto ny ''fo'' dia maneho ny saina aman'eritreritra. DH: "Ny fihevitry ny olon-kendry manome"

manome saina ny vavany

Eto ny teny hoe "vava" dia sarinteny ilazana ny teny. DH: "mahendry ny teniny"

ny molony

Eto ny teny hoe "molotra" dia sarinteny ilazana ny teny. DH: "izay lazainy"

Tohon-tantely ny teny mahafinaritra

Ny teny mahafinaritra izay afaka mitondra fy amin'ny mpihaino dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe tohon-tantely mitete tantely vaovao. DH: "Ny teny mahafinaritra dia tahaka ny tohon-tantely"

mamy amin'ny fanahy

Ny mety hoe hevitry ny teny hoe "fanahy" dia 1) maneho ny faniriana ao anatin'ny olona iray sy ny fahafinaretany io. DH: "mamy ampy hampifaly ny olona iray" na 2) mety hidika izany hoe "tenda" ary sarinteny ilazana ny lelan'ny olona iray sy ny fahafahana mahare tsiro. DH: "mamy amin'ny fahatsapan'ny olona"

fanasitranana ho an'ny taolana

Eto ny teny hoe "taolana" dia maneho ny vatan'ny olona iray. DH: "fanasitranana ho an'ny vatana"