plt_tn/pro/07/26.md

762 B

Nahalavo olona voatrobaka maro izy

Ny hoe voatrobaky ny lefona na tsipika dia entina ilazana ny hoe voavono. DH: "Nahatonga ny olona maro ho faty lavo izy"

Eny amin'ny lalana mankany amin'ny Fiainan-tsy hita ny tranony ... midina

Eto ny "lalana'' dia maneho ny karazan-toetra izay hiarahan'ny adala manao. Ny Fiainan-tsy hita no anarana ilazana ny tontolon'ny maty.

Eny amin'ny lalana mankany amin'ny Fiainan-tsy hita ... amin'ny fandriana maizin'ny fahafatesana

Ireo andian-teny roa ireo dia mitovitovy hevitra ihany ary averina mba hanindriana fa izay lasibatr'ilay vehivavy dia ho potika.

efitrano fandriana maizin'ny fahafatesana

Io fomba fiteny io dia maneho kisarisarin'ny maty matory any anaty efitra samihafa any amin'ny Fiainan-tsy hita.