plt_tn/pro/06/09.md

1.7 KiB

Mandra-pahoviana no hatorianao ... Rahoviana no hifohazanao amin'ny torimasonao?

Mampiasa ireo fanontaniana ireo ny mpampianatra mba hibedesana ny olona kamo nohon'ny fatoriana tafahoatra. DH: "Mifohaza, ry ilay kamo! Mialà eo am-pandrianao!"

Torimaso kely ... famoretan-tanana kely mba hialana sasatra

Izany no karazan-javatra lazain'ny kamo.

Torimaso kely, faharendrehana kely

Ireo andian-teny roa ireo dia mitovitovy hevitra ihany. Azo adika amin'ny fehezanteny feno ireo. DH: "Somary hatory elaela kokoa aho. Avelao aho mba hatory elaela kely.

famoretan-tanana kely mba hialana sasatra

Matetika ny olona dia mamoritra tanana rehefa matory mba hahazo aina kokoa rehefa maka aina. DH: "Hamoritra ny sandriko kely ao mba hahazo aina ary haka aina kely"

dia ho avy ... ny fahantranao

Io dia azo adika amin'ny fehezanteny vaovao mba hampazava fa vokatry ny fahalainana io. DH: "Raha mitohy ny hakamoanao, dia ho avy ny fahantranao" na "Raha mbola matory ianao, dia ho avy ny fahantrana"

dia ho avy tahaka ny mpangalatra ny fahantranao

Ny fomba mampahantra tampoka ny olona kamo dia tahaka ny fomba hahatongava'ny mpandroba tampoka ka mangalatra zavatra. DH: "hanjary hahantra tampoka ianao, toy ny hoe nisy mpangalatra tonga ka naka izay rehetra anananao"

ny filànao tahaka ny miaramila mirongo fiadiana

Ny fomba hahatonga ny kamo ho orin-javatra tampoka dia tahaka ny fomba hakan'ny miaramila mirongo fiadiana zavatra avy amin'ny olona tampoka. Azo adika amin'ny fehezanteny feno io. DH: "ary ho avy tampoka aminao tahaka ny miaramila mitam-piadiana ny fahorianao" na "ary ho ory tampoka toy ny hoe nisy miaramila mirongo fiadiana nangalatra ny zavatrao rehetra ianao"

miaramila mirongo fiadiana

"miaramila mitana fiadiana" na "lehilahy mitam-piadiana"