# Mandra-pahoviana no hatorianao ... Rahoviana no hifohazanao amin'ny torimasonao? Mampiasa ireo fanontaniana ireo ny mpampianatra mba hibedesana ny olona kamo nohon'ny fatoriana tafahoatra. DH: "Mifohaza, ry ilay kamo! Mialà eo am-pandrianao!" # Torimaso kely ... famoretan-tanana kely mba hialana sasatra Izany no karazan-javatra lazain'ny kamo. # Torimaso kely, faharendrehana kely Ireo andian-teny roa ireo dia mitovitovy hevitra ihany. Azo adika amin'ny fehezanteny feno ireo. DH: "Somary hatory elaela kokoa aho. Avelao aho mba hatory elaela kely. # famoretan-tanana kely mba hialana sasatra Matetika ny olona dia mamoritra tanana rehefa matory mba hahazo aina kokoa rehefa maka aina. DH: "Hamoritra ny sandriko kely ao mba hahazo aina ary haka aina kely" # dia ho avy ... ny fahantranao Io dia azo adika amin'ny fehezanteny vaovao mba hampazava fa vokatry ny fahalainana io. DH: "Raha mitohy ny hakamoanao, dia ho avy ny fahantranao" na "Raha mbola matory ianao, dia ho avy ny fahantrana" # dia ho avy tahaka ny mpangalatra ny fahantranao Ny fomba mampahantra tampoka ny olona kamo dia tahaka ny fomba hahatongava'ny mpandroba tampoka ka mangalatra zavatra. DH: "hanjary hahantra tampoka ianao, toy ny hoe nisy mpangalatra tonga ka naka izay rehetra anananao" # ny filànao tahaka ny miaramila mirongo fiadiana Ny fomba hahatonga ny kamo ho orin-javatra tampoka dia tahaka ny fomba hakan'ny miaramila mirongo fiadiana zavatra avy amin'ny olona tampoka. Azo adika amin'ny fehezanteny feno io. DH: "ary ho avy tampoka aminao tahaka ny miaramila mitam-piadiana ny fahorianao" na "ary ho ory tampoka toy ny hoe nisy miaramila mirongo fiadiana nangalatra ny zavatrao rehetra ianao" # miaramila mirongo fiadiana "miaramila mitana fiadiana" na "lehilahy mitam-piadiana"