plt_tn/pro/06/06.md

931 B

Jereo ... diniho

"Hianaro ... hevero" na "diniho tsara ... saintsaino"

vitsika

ny vitsika dia bibikely izay mipetraka any ambany tany eo amin'ny havoana nataony ihany. Matetika ireo dia miara-mipetraka amin'ny vondrona an'arivony, ary afaka mibata zavatra izay lehibe lavitra noho izy ireo.

diniho ny fanaony

Io dia hevitra ambadika izay mampiasa ny "fanaon'ny" vitsika hilazana ny toetrany. DH: "diniho ny toetran'ny vitsika"

komandy, mpifehy, na mpanapaka

Ireo teny telo ireo dia mitovitovy hevitra ihany ary ampiasaina mba hanindriana fa tsy misy manana fahefana manokana eo amin'ny vitsika tokana.

mamory ny sakafony amin'ny fahavaratra ary mandritra ny fararano no hitehirizany izay hohaniny

Ireo andian-teny roa ireo dia mitovitovy hevitra ihany ary averina mba hampisehoana ny fandraisana andraikitry ny vitsika.

fahavaratra

Ny fahavaratra dia fotoana izay hamoazan'ny hazo sasany amin'ny taona iray.