plt_tn/pro/06/04.md

24 lines
1017 B
Markdown

# Aza avela hatory ny masonao ary aza avela rendrehana ny hodi-masonao
Ireo andian-teny roa ireo dia mitovitovy hevitra ihany ary naverina mba hanindriana ny amin'ny maha-zava-dehibe ny tsy fahakamoana. Ambara amin'ny endrika misy fandrarana ihany koa io mba hanehoana fanindriana bebe kokoa. DH: "Mifohaza, ary ataovy izay azonao atao"
# ny masonao ... hodi-masonao
Io dia hevitra ambadika izay mampiasa izay eo amin'ny tarehinao mba hilazana ny vatanao manontolo. DH: "ny tenanao ... ny tenanao"
# Vonjeo ny tenanao tahaka ny gazela eny an-tanan'ny mpihaza
"Miandosira ny namanao tahaka ny gazela izay mandositra ny mpihaza"
# gazela
Izany dia biby lehibe, mahia izay mihinana ahitra ary hazain'ny olona matetika hahazoana hena. Malaza amin'ny fitsoahana malaky izany.
# an-tanan'ny mpihaza
Entina ilazana ny fifehezan'ny mpihaza ny tanan'ny mpihaza. DH: "fifehezan'ny mpihaza"
# tahaka ny vorona eo an-tanan'ny mpamandri-borona
"ary mandosira tahaka ny vorona izay misidina lavitry ny mpamandri-borona"