plt_tn/pro/06/04.md

1017 B

Aza avela hatory ny masonao ary aza avela rendrehana ny hodi-masonao

Ireo andian-teny roa ireo dia mitovitovy hevitra ihany ary naverina mba hanindriana ny amin'ny maha-zava-dehibe ny tsy fahakamoana. Ambara amin'ny endrika misy fandrarana ihany koa io mba hanehoana fanindriana bebe kokoa. DH: "Mifohaza, ary ataovy izay azonao atao"

ny masonao ... hodi-masonao

Io dia hevitra ambadika izay mampiasa izay eo amin'ny tarehinao mba hilazana ny vatanao manontolo. DH: "ny tenanao ... ny tenanao"

Vonjeo ny tenanao tahaka ny gazela eny an-tanan'ny mpihaza

"Miandosira ny namanao tahaka ny gazela izay mandositra ny mpihaza"

gazela

Izany dia biby lehibe, mahia izay mihinana ahitra ary hazain'ny olona matetika hahazoana hena. Malaza amin'ny fitsoahana malaky izany.

an-tanan'ny mpihaza

Entina ilazana ny fifehezan'ny mpihaza ny tanan'ny mpihaza. DH: "fifehezan'ny mpihaza"

tahaka ny vorona eo an-tanan'ny mpamandri-borona

"ary mandosira tahaka ny vorona izay misidina lavitry ny mpamandri-borona"