plt_tn/pro/05/15.md

1.6 KiB

rano avy ao amin'ny famorian-dranonao ... rano mikoriana avy ao amin'ny lava-dranonao

Ireo andian-teny roa ireo dia mitovitovy hevitra ihany. Ny lehilahy miara-mandry amin'ny vadiny ihany dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe nisotro rano avy tamin'ny famorian-dranony na ny fantsakany ihany.

rano mikoriana

Ny rano madio dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe rano mikoriana. DH: "rano madio"

Moa tokony hiboiboika na aiza na aiza ve ny loharanonao ary hikoriana eny an-dalam-be ny loharanonao?

Mametraka ity fanontaniana fampisainana ity ny mpanoratra mba hanindriana fa tsy tokony hanao ireo zavatra ireo ny zanany lahy. DH: "Ny loharanonao dia tsy tokony... ny ranonao miboiboika dia tsy tokony hikoriana eny an-kalamanjana."

Moa tokony hiboiboika na aiza na aiza ve ny loharanonao ary hikoriana eny ankalamanjana ny loharanonao?

Eto ny teny hoe "loharano" dia fanalefahan-teny ilazana ny tsiranoka ara-pananahan'ny lehilahy. Ny mety ho hevitr'io andian-teny misy sarin-teny io dia 1) ny fiaraha-mandry amin'ny vehivavy hafa ankoatra ny vadin'ilay olona dia resahina toy ny hoe mamela ny ranon'ny olona iray hikoriana eny an-dalambe izany, na 2) ny fananan-janaka amin'ny vehivavy hafa ankoatra ny vadin'ny olona iray dia resahina toy ny hoe mamela ny ranon'ny olona iray hikoriana eny an-dalambe.

ankalamanjana

Toeran'ny daholobe ao an-tanàna na vohitra iray izay ifanenan'ny lalana roa. Toerana hihaonan'ny daholobe sy hiresahany.

Aoka ... ireny

Ny teny hoe "ireny" dia manondro ireo "loharano" na "rano mikoriana."

tsy ho an'ireo vahiny miaraka aminao

"aza zaraina amin'ny vahiny ireny"