plt_tn/pro/05/15.md

28 lines
1.6 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# rano avy ao amin'ny famorian-dranonao ... rano mikoriana avy ao amin'ny lava-dranonao
Ireo andian-teny roa ireo dia mitovitovy hevitra ihany. Ny lehilahy miara-mandry amin'ny vadiny ihany dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe nisotro rano avy tamin'ny famorian-dranony na ny fantsakany ihany.
# rano mikoriana
Ny rano madio dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe rano mikoriana. DH: "rano madio"
# Moa tokony hiboiboika na aiza na aiza ve ny loharanonao ary hikoriana eny an-dalam-be ny loharanonao?
Mametraka ity fanontaniana fampisainana ity ny mpanoratra mba hanindriana fa tsy tokony hanao ireo zavatra ireo ny zanany lahy. DH: "Ny loharanonao dia tsy tokony... ny ranonao miboiboika dia tsy tokony hikoriana eny an-kalamanjana."
# Moa tokony hiboiboika na aiza na aiza ve ny loharanonao ary hikoriana eny ankalamanjana ny loharanonao?
Eto ny teny hoe "loharano" dia fanalefahan-teny ilazana ny tsiranoka ara-pananahan'ny lehilahy. Ny mety ho hevitr'io andian-teny misy sarin-teny io dia 1) ny fiaraha-mandry amin'ny vehivavy hafa ankoatra ny vadin'ilay olona dia resahina toy ny hoe mamela ny ranon'ny olona iray hikoriana eny an-dalambe izany, na 2) ny fananan-janaka amin'ny vehivavy hafa ankoatra ny vadin'ny olona iray dia resahina toy ny hoe mamela ny ranon'ny olona iray hikoriana eny an-dalambe.
# ankalamanjana
Toeran'ny daholobe ao an-tanàna na vohitra iray izay ifanenan'ny lalana roa. Toerana hihaonan'ny daholobe sy hiresahany.
# Aoka ... ireny
Ny teny hoe "ireny" dia manondro ireo "loharano" na "rano mikoriana."
# tsy ho an'ireo vahiny miaraka aminao
"aza zaraina amin'ny vahiny ireny"