plt_tn/pro/05/11.md

20 lines
973 B
Markdown

# hihaosa ny nofonao sy ny vatanao
Ny teny hoe "nofo" sy "vatana" dia mitovitovy hevitra ihany ary maneho ilay olona manontolo. DH: "hihaosa ny vatanao" na "hihaosa ianao"
# hihaosa
"reraka ara-batana" na "miha-malemy sy tsy salama"
# ny fankahalako ny fampianarana ... fanaovan'ny foko tsinotsinona ny fanitsiana
Ireo andian-teny roa ireo dia maneho hevitra mitovitovy ihany ary manindry ny amin'ny halehiben'ny tsy fitiavan'io olona io izay nambaran'ny mpampianatra.
# Indrisy ny fankahalako ny fampianarana
Ny teny hoe "indrisy" dia teny maneho fahatairana izay manindry ny amin'ny hamafin'ny fankahalany. Ny teny hoe "fampianarana" dia azo adika amin'ny teny misy matoanteny. DH: "halako ery izany fony nisy te hampianatra ahy"
# fanaovan'ny foko tsinotsinona ny fanitsiana
Eto ny teny hoe "fo" dia maneho ilay olona sy ny fihetseham-pony. Ny teny hoe "fanitsiana" dia azo adika amin'ny teny misy matoanteny. DH: "nankahalaiko ny olona rehefa mba nanitsy ahy"