plt_tn/pro/04/22.md

1.2 KiB

ny teniko dia aina

Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe ain'ilay olona ny fiarovan'ny teniny ny ain'izany olona izany. DH: "manome aina ny teniko"

ho an'ireo izay mahita azy

Ny fahazoana feno ny teniny dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mitady izany ilay olona ary mahita. DH: "ho an'ireo izay mahatakatra ary mapihatra izany"

fahasalamana ho an'ny vatan'izy ireo iray manontolo

Ny teny hoe "izy ireo" dia manondro "ireo izay mahita izany." Ny enti-milaza ho an'ity andian-teny ity dia azo ampiana avy ao amin'ny andian-teny teo aloha. DH: "hanome fahasalamana ho an'ny vatan'ireo izay mahita azy manontolo ny teniko"

Arovy ny fonao ary ambeno

Eto ny teny hoe "fo" dia maneho ny saina sy ny fihevitry ny olona iray. DH: "Arovy ny sainao ary ambeno ny fihevitrao"

amin'ny fitandremana rehetra

amin'ny ezaka mitohy sy mavitrika

avy amin'izany no hikorianan'ny loharanon'aina

Ny teny hoe "izany" dia manondro ny fo, izay sarinteny ilazana ny fisainana sy ny fihevitra. Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe loharano mikoriana izay mivoaka avy any am-po ny fiainan'ny olona. DH: "avy amin'ny fihevitrao no hiavian'ny zavatra rehetra lazainao sy ataonao" na "ny fihevitrao no mamaritra ny lalam-piainanao"