forked from WA-Catalog/plt_tn
24 lines
1.2 KiB
Markdown
24 lines
1.2 KiB
Markdown
|
# ny teniko dia aina
|
||
|
|
||
|
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe ain'ilay olona ny fiarovan'ny teniny ny ain'izany olona izany. DH: "manome aina ny teniko"
|
||
|
|
||
|
# ho an'ireo izay mahita azy
|
||
|
|
||
|
Ny fahazoana feno ny teniny dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mitady izany ilay olona ary mahita. DH: "ho an'ireo izay mahatakatra ary mapihatra izany"
|
||
|
|
||
|
# fahasalamana ho an'ny vatan'izy ireo iray manontolo
|
||
|
|
||
|
Ny teny hoe "izy ireo" dia manondro "ireo izay mahita izany." Ny enti-milaza ho an'ity andian-teny ity dia azo ampiana avy ao amin'ny andian-teny teo aloha. DH: "hanome fahasalamana ho an'ny vatan'ireo izay mahita azy manontolo ny teniko"
|
||
|
|
||
|
# Arovy ny fonao ary ambeno
|
||
|
|
||
|
Eto ny teny hoe "fo" dia maneho ny saina sy ny fihevitry ny olona iray. DH: "Arovy ny sainao ary ambeno ny fihevitrao"
|
||
|
|
||
|
# amin'ny fitandremana rehetra
|
||
|
|
||
|
amin'ny ezaka mitohy sy mavitrika
|
||
|
|
||
|
# avy amin'izany no hikorianan'ny loharanon'aina
|
||
|
|
||
|
Ny teny hoe "izany" dia manondro ny fo, izay sarinteny ilazana ny fisainana sy ny fihevitra. Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe loharano mikoriana izay mivoaka avy any am-po ny fiainan'ny olona. DH: "avy amin'ny fihevitrao no hiavian'ny zavatra rehetra lazainao sy ataonao" na "ny fihevitrao no mamaritra ny lalam-piainanao"
|