plt_tn/pro/01/31.md

28 lines
1.2 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Mamarana ny fanambaran'ny fahendrena izay nanomboka tao amin'ny 1:20 ny andinin'ny faha 33.
# Hihinana ny vokatry ny lalany
Eto ny toetran'ny olona dia resahina toy ny hoe lalana na arabe. Ary koa, ny olona mandray ny vokatry ny fitondran-tenany dia resahina toy ny hoe mihinana ny vokatry ny fitondran-tenany ilay olona. DH: "miaina ny voka-dratsin'ny asany"
# ny vokatry ny teti-dratsin'izy ireo no hameno azy
"hihinana ny vokatry ny teti-dratsiny izy ireo mandra-pahavokiny." Ny olona mandray ny voka-dratsin'ny teti-dratsiny ihany dia resahina toy ny hoe mihinana ny vokatry ny tetiny izy ireo. DH: "hizaka ny voka-dratsin'ny teti-dratsiny ihany"
# kely saina
"tsy manan-traikefa, tsy matotra"
# voavono ny kely saina rehefa mivily
Ny olona mandà fahendrena dia resahina toy ny hoe miala amin'ny fahendrena ara-batana ilay olona. Azo atao hoe DH: "ho faty satria mandà tsy hianatra"
# hamotika azy ny tsy firarahian'ny adala
Ny anarana hoe "firarahiana" dia azo atao amin'ny endrika matoanteny. DH: "ho faty ny adala satria tsy miraharaha izay tokony ho atao"
# tsy firarahian'ny
tsy fahampian'ny fiheverana momba ny zavatra iray