plt_tn/pro/01/31.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mamarana ny fanambaran'ny fahendrena izay nanomboka tao amin'ny 1:20 ny andinin'ny faha 33.

Hihinana ny vokatry ny lalany

Eto ny toetran'ny olona dia resahina toy ny hoe lalana na arabe. Ary koa, ny olona mandray ny vokatry ny fitondran-tenany dia resahina toy ny hoe mihinana ny vokatry ny fitondran-tenany ilay olona. DH: "miaina ny voka-dratsin'ny asany"

ny vokatry ny teti-dratsin'izy ireo no hameno azy

"hihinana ny vokatry ny teti-dratsiny izy ireo mandra-pahavokiny." Ny olona mandray ny voka-dratsin'ny teti-dratsiny ihany dia resahina toy ny hoe mihinana ny vokatry ny tetiny izy ireo. DH: "hizaka ny voka-dratsin'ny teti-dratsiny ihany"

kely saina

"tsy manan-traikefa, tsy matotra"

voavono ny kely saina rehefa mivily

Ny olona mandà fahendrena dia resahina toy ny hoe miala amin'ny fahendrena ara-batana ilay olona. Azo atao hoe DH: "ho faty satria mandà tsy hianatra"

hamotika azy ny tsy firarahian'ny adala

Ny anarana hoe "firarahiana" dia azo atao amin'ny endrika matoanteny. DH: "ho faty ny adala satria tsy miraharaha izay tokony ho atao"

tsy firarahian'ny

tsy fahampian'ny fiheverana momba ny zavatra iray