plt_tn/php/04/10.md

838 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Paoly dia miresaka ny momba ireo mpino Filipiana izay nanohana azy ara-bola ary dia mamarana amin'ny fankasitrahana sy saotra.

ny hifaly

"mba ho afa-po" na "mba ho faly"

amin'izay toe-java-miseho rehetra

"na inona na inona toe-javatra misy ahy"

Fantatro ny hoe mahantra ary fantatro koa ny hoe manam-be

Paoly dia mahafantatra hoe ahoana ny miaina amim-pifaliana na manana na tsy manana fananana.

Ny fihinanam-be sy ny hanoanana, ary ny hoe manam-be sy ny hoe ao anatin'ny tsy fahampiana

Ireo fehezanteny ireo dia mitovy ny heviny. Paoly dia mampiasa azy ireo mba hanasongadinana fa izy dia nianatra ny ho faly foana amin'izay zavatra miseho eo.

Afaka manao ny zavatra rehetra aho amin'ny alalan'Ilay mampahery ahy.

"Afaka manao ny zava-drehetra aho satria manome hery ahy i Kristy"