plt_tn/phm/01/17.md

1.1 KiB

Raha manana ahy ho mpiara-miasa ianao

"Raha mihevitra ahy ho toy ny mpiara-miasa ao amin'i Kristy ianao."

Ataovy ho ahy izany

"Lazao fa izaho no anananareo."

Izaho, Paoly, manoratra izao amin'ny tanako

Izaho, Paoly, nanoratra ity. Paoly dia nanoratra ity ampahany ity tamin'ny tanany mba ahalalan'i Filemona fa ireo teny dia tena avy amin'i Paoly. Paoly dia tena hamerina aminy.

Tsy milaza aminao

"Tsy mila mampahatsiahy anao aho" na "efa fantatrao."

Mitrosa ny tenanao amiko ianao

"Ny fiainanao dia avy amiko." Paoly dia te hilaza fa i Filemona dia tsy tokony hiteny fa i Onesimosy na i Paoly dia ananany satria Filemona dia mbola tokony hanefa mihoatra amin'i Paoly. Ny antony hoe avy amin'i Paoly ny fiainan'i Filemona dia afaka hazavaina. DH: "hananako mihoatra ianao satria namonjy ny ainao aho" na "mitrosa ny tenanao amiko ianao satria izay nolazaiko taminao dia namonjy ny ainao."

Omeo fitsaharana ny foko

"Ampifalio aho" na "hampionony aho." Ny fomba nitiavan'i Paoly an'i Onesimosy hanao izany dia afaka hazavaina. DH: "mamelombelona ny foko amin'ny fanekena an'i Onesimosy amin-katsaram-panahy."