plt_tn/phm/01/01.md

48 lines
2.0 KiB
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Intelo i Paoly no nanondro ny tenany ho mpanoratra ity taratasy ity. Azo inoana fa i Timoty dia niaraka taminy ary mety nanoratra ireo teny ireo araka ny nolazain'i Paoly izy. Paoly dia niarahaba ireo hafa izay mihaona ao amin'ny fiangonana ao an-tranon'i Filemona.
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ny toe-javatra rehetra amin'ny hoe: "izaho", "aho", "ahy" dia manondro an'i Paoly. Filemona no olona fototra izay nanoratana ity taratasy ity. Ny toe-javatra rehetra amin'ny hoe "ianao" sy "anao" dia manondro azy ary milaza zavatra tokana ra tsy hoe misy fanamarihana manokana.
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ny teny hoe "anay" eto dia ahitana an'i Paoly sy Filemona ary angamba ireo mpino ao amin'ny fiangonana izay mihaona ao an-tranon'i Filemona.
# Paoly, voafonja an'i Jesosy Kristy, sy ny rahalahy Timoty ho an'i Filemona
DH: "Izaho, Paoly, voafonja an'i Jesosy Kristy, ary Timoty, rahalahinay, dia manoratra ity taratasy ity ho an'i Filemona."
# Voafonja an'i Jesosy Kristy
"Voafonja noho ny amin'i Jesosy Krsity." Ny olona izay nanohatra ny toritenin'i Paoly dia nanasazy azy tamin'ny fampidirana azy am-ponja.
# Rahalahy
Eto izany dia midika hoe fiarahan'ny Kristiana.
# Mpiara-miasa
"Izay, mitovy aminay, dia miasa mba hampielezana ny filazantsara."
# Apia anabavinay
"Apia mpiray finoana aminay" na "Apia anabavinay ara-panahy."
# Arkipo
Izany no anaran'ny lehilahy iray ao amin'ny fiangonana miaraka amin'i Filemona.
# Miaramila mpiara-dia aminay
Paoly dia miresaka an'i Arkipo toy ny hoe samy miaramila any amin'ny tafika izy ireo. Midika izany fa miasa mafy i Arkipo, tahaka an'i Paoly miasa mafy, mba hampielezana ny filazantsara. DH: "mpiara-miady ara-panahy" na "izay miady ihany koa ny ady ara-panahy ho antsika."
# Ho aminareo anie ny fahasoavana sy fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo
"Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo anie hanome fahasoavana sy fiadanana ho anareo." Izany dia fitahiana.
# Raintsika
izany dia fiantsoana manan-danaja ho an'Andriamanitra.