plt_tn/phm/01/01.md

2.0 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Intelo i Paoly no nanondro ny tenany ho mpanoratra ity taratasy ity. Azo inoana fa i Timoty dia niaraka taminy ary mety nanoratra ireo teny ireo araka ny nolazain'i Paoly izy. Paoly dia niarahaba ireo hafa izay mihaona ao amin'ny fiangonana ao an-tranon'i Filemona.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ny toe-javatra rehetra amin'ny hoe: "izaho", "aho", "ahy" dia manondro an'i Paoly. Filemona no olona fototra izay nanoratana ity taratasy ity. Ny toe-javatra rehetra amin'ny hoe "ianao" sy "anao" dia manondro azy ary milaza zavatra tokana ra tsy hoe misy fanamarihana manokana.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ny teny hoe "anay" eto dia ahitana an'i Paoly sy Filemona ary angamba ireo mpino ao amin'ny fiangonana izay mihaona ao an-tranon'i Filemona.

Paoly, voafonja an'i Jesosy Kristy, sy ny rahalahy Timoty ho an'i Filemona

DH: "Izaho, Paoly, voafonja an'i Jesosy Kristy, ary Timoty, rahalahinay, dia manoratra ity taratasy ity ho an'i Filemona."

Voafonja an'i Jesosy Kristy

"Voafonja noho ny amin'i Jesosy Krsity." Ny olona izay nanohatra ny toritenin'i Paoly dia nanasazy azy tamin'ny fampidirana azy am-ponja.

Rahalahy

Eto izany dia midika hoe fiarahan'ny Kristiana.

Mpiara-miasa

"Izay, mitovy aminay, dia miasa mba hampielezana ny filazantsara."

Apia anabavinay

"Apia mpiray finoana aminay" na "Apia anabavinay ara-panahy."

Arkipo

Izany no anaran'ny lehilahy iray ao amin'ny fiangonana miaraka amin'i Filemona.

Miaramila mpiara-dia aminay

Paoly dia miresaka an'i Arkipo toy ny hoe samy miaramila any amin'ny tafika izy ireo. Midika izany fa miasa mafy i Arkipo, tahaka an'i Paoly miasa mafy, mba hampielezana ny filazantsara. DH: "mpiara-miady ara-panahy" na "izay miady ihany koa ny ady ara-panahy ho antsika."

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo

"Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo anie hanome fahasoavana sy fiadanana ho anareo." Izany dia fitahiana.

Raintsika

izany dia fiantsoana manan-danaja ho an'Andriamanitra.