plt_tn/oba/01/07.md

36 lines
1.1 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Manohy ny fampitàna amin'i Obadia ny hafany ho an'i Edoma i Yaveh.
# nifanaraka taminao
Ny teny hoe "taminao" dia manondro ny firenen'i Edoma.
# handefa anao amin'ny lalanao mankany amin'ny sisin-tany
"handefa anao hiala amin'ny taniny." Ireo olon'i Edoma dia hanandrana handositra any amin'ny tanin'ireo mpiara-dia aminy, fa ireo mpiara-dia aminy dia tsy namela azy ireo hitoetra ao amin'ny taniny.
# Tsy misy fahazavan-tsaina ao aminy
"Edoma dia tsy mahatakatra."
# Moa ve tsy amin'izany andro izany aho" hoy i Yaveh, "no hamotika ... ao an-tendrombohitr'i Esao?
"amin'izany andro izany, hoy i Yaveh: "dia ho ravako tokoa ... ao an-tendrombohitr'i Esao
# Ho raiki-tahotra ireo lehilahy maherinao
"Ho raiki-tahotra ny mpiadinao mahery"
# Temana
anaran'ny faritra ao amin'ny tanin'i Edoma.
# ka ho ringana amin'ny alalan'ny famonoana avy any an-tendrombohitr'i Esao ny lehilahy rehetra
DH: "ka tsy hisy olona firy intsony ao an-tendrombohitr'i Esao satria novonoin'ny fahavalo izy ireo."
# tendrombohitr'i Esao
Ny ankamaroan'ny tanin'i Esao dia tendrombohitra, ka dia fomba iray izany ilazana ny tanin'i Esao.