# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Manohy ny fampitàna amin'i Obadia ny hafany ho an'i Edoma i Yaveh. # nifanaraka taminao Ny teny hoe "taminao" dia manondro ny firenen'i Edoma. # handefa anao amin'ny lalanao mankany amin'ny sisin-tany "handefa anao hiala amin'ny taniny." Ireo olon'i Edoma dia hanandrana handositra any amin'ny tanin'ireo mpiara-dia aminy, fa ireo mpiara-dia aminy dia tsy namela azy ireo hitoetra ao amin'ny taniny. # Tsy misy fahazavan-tsaina ao aminy "Edoma dia tsy mahatakatra." # Moa ve tsy amin'izany andro izany aho" hoy i Yaveh, "no hamotika ... ao an-tendrombohitr'i Esao? "amin'izany andro izany, hoy i Yaveh: "dia ho ravako tokoa ... ao an-tendrombohitr'i Esao # Ho raiki-tahotra ireo lehilahy maherinao "Ho raiki-tahotra ny mpiadinao mahery" # Temana anaran'ny faritra ao amin'ny tanin'i Edoma. # ka ho ringana amin'ny alalan'ny famonoana avy any an-tendrombohitr'i Esao ny lehilahy rehetra DH: "ka tsy hisy olona firy intsony ao an-tendrombohitr'i Esao satria novonoin'ny fahavalo izy ireo." # tendrombohitr'i Esao Ny ankamaroan'ny tanin'i Esao dia tendrombohitra, ka dia fomba iray izany ilazana ny tanin'i Esao.