plt_tn/num/35/33.md

810 B

Aza lotoina amin'izany fomba izany ny tany izay onenanao, satria ny ràn'ny mpamono olona no mandoto ny tany

Ny fanaovana ny tany ho tsy eken'i Yaveh dia resahina toy ny hoe fandotoana ny tany ara-batana izany. DH: "Aza manao ny tany izay honenanareo ho tsy ekeko amin'izany fomba izany, satria avy amin'ny famonoana olona no mahatonga ny tany ho tsy ekeko"

amin'izany fomba izany

Midika izany hoe amin'ny tsy fankatoavana ireo lalàna mahakasika ny olona iray izay mamono olona.

Tsy misy fanavotana ho an'ny tany rehefa latsaka amin'ny tany ny rà, afa-tsy amin'ny ràn'izay nandatsaka izany

Io dia manondro ny fotoana izay amonoin'ny olona iray olon-kafa. DH: "Rehefa misy olona mandatsa-drà ao amin'ny tany, dia ny famonoana ilay mpamono olona ihany no afaka hanaovana fanavotana ho an'ny tany"