plt_tn/num/24/09.md

16 lines
742 B
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Mamarana ny faminaniana teo ambany fifehezan'ny Fanahin'Andriamanitra i Balama.
# Mamitsaka tahaka ny liona Izy, tahaka ny liona vavy
Amin'ity fampitahana ity, dia mampitaha ireo Israelita amin'ny liona lahy sy vavy i Balama. Midika izany fa mampidi-doza izy ireo ary vonona hanafika mandrakariva.
# Iza no ho sahy hanelingelina azy?
Mampiasa io fanontaniana io i Balama mba hampitandremana ny vahoaka rehetra tsy hiantsy ireo Israelita. Afaka adika ho fehezanteny izany. DH: "Tsy misy sahy manelingelina azy!"
# Izay mitahy azy dia voatahy; izay manozona azy dia voaozona
DH: "Enga anie hitahy ireo izay mitahy ny Israelita Andriamanitra; enga anie hanozona ireo izay manozona ny Israelita Izy"