# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Mamarana ny faminaniana teo ambany fifehezan'ny Fanahin'Andriamanitra i Balama. # Mamitsaka tahaka ny liona Izy, tahaka ny liona vavy Amin'ity fampitahana ity, dia mampitaha ireo Israelita amin'ny liona lahy sy vavy i Balama. Midika izany fa mampidi-doza izy ireo ary vonona hanafika mandrakariva. # Iza no ho sahy hanelingelina azy? Mampiasa io fanontaniana io i Balama mba hampitandremana ny vahoaka rehetra tsy hiantsy ireo Israelita. Afaka adika ho fehezanteny izany. DH: "Tsy misy sahy manelingelina azy!" # Izay mitahy azy dia voatahy; izay manozona azy dia voaozona DH: "Enga anie hitahy ireo izay mitahy ny Israelita Andriamanitra; enga anie hanozona ireo izay manozona ny Israelita Izy"