plt_tn/num/24/07.md

1.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Manohy maminany eo ambany fifehezan'ny Fanahin'Andriamanitra i Balama.

Mikoriana...ny rano....tsara tondraka

Ny rano betsaka dia mifandraika amin'ny fitahian'Andriamanitra ny vokatry ny tany. DH: "Hitahy ny Israely amin'ny rano betsaka ho an'ny vokatr'izy ireo Andriamanitra"

ireo voa nafafiny dia tsara tondraka

Ny hoe tsara tondraka dia manondro ny fitahian'Andriamanitra ny vahoakany mba hanana vokatra betsaka izy ireo. DH: "hanana rano betsaka ho an'ny voan'izy ireo mba hampaniry tsara ny vokatra izy ireo"

Ny mpanjakan'izy ireo dia ho avo...ny fanjakan'izy ireo dia homen-kaja

Ireo andianteny roa ireo dia manana hevitra iray ihany, ary manindry ny habetsaky ny hitahian'Andriamanitra azy ireo raha oharina amin'ireo firenena hafa.

Ny mpanjakan'izy ireo dia ho avo noho i Agaga

Eto ny hoe "avo" dia manondro ny voninahitra sy fahefana lehibe. Midika izany fa hanana voninahitra kokoa ary hahery kokoa noho i Agaga ny mpanjakan'Israely hoavy. Agaga dia mpanjakan'ireo Amalekita.

ny fanjakan'izy ireo dia homen-kaja

DH: "hanome voninahitra ny fanjakan'izy ireo ny vahoaka hafa"