plt_tn/num/24/07.md

24 lines
1.1 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Manohy maminany eo ambany fifehezan'ny Fanahin'Andriamanitra i Balama.
# Mikoriana...ny rano....tsara tondraka
Ny rano betsaka dia mifandraika amin'ny fitahian'Andriamanitra ny vokatry ny tany. DH: "Hitahy ny Israely amin'ny rano betsaka ho an'ny vokatr'izy ireo Andriamanitra"
# ireo voa nafafiny dia tsara tondraka
Ny hoe tsara tondraka dia manondro ny fitahian'Andriamanitra ny vahoakany mba hanana vokatra betsaka izy ireo. DH: "hanana rano betsaka ho an'ny voan'izy ireo mba hampaniry tsara ny vokatra izy ireo"
# Ny mpanjakan'izy ireo dia ho avo...ny fanjakan'izy ireo dia homen-kaja
Ireo andianteny roa ireo dia manana hevitra iray ihany, ary manindry ny habetsaky ny hitahian'Andriamanitra azy ireo raha oharina amin'ireo firenena hafa.
# Ny mpanjakan'izy ireo dia ho avo noho i Agaga
Eto ny hoe "avo" dia manondro ny voninahitra sy fahefana lehibe. Midika izany fa hanana voninahitra kokoa ary hahery kokoa noho i Agaga ny mpanjakan'Israely hoavy. Agaga dia mpanjakan'ireo Amalekita.
# ny fanjakan'izy ireo dia homen-kaja
DH: "hanome voninahitra ny fanjakan'izy ireo ny vahoaka hafa"