plt_tn/num/22/02.md

1017 B

Balaka zanak'i Zipora

Balaka no mpanjakan'i Moaba.

Zipora

Zipora no rain'i Balaka.

Natahotra mafy ny vahoakan'ny Israely i Moaba...nihorohoro tamin'ny vahoakan'ny Israely i Moaba

Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany, ary manindry fa tena natahotra Moaba.

Natahotra mafy...i Moaba

Eto ny hoe "Moaba" dia manondro ny vahoakan'i Moaba. DH: "Natahotra mafy ireo Moabita rehetra"

Niteny tamin'ireo loholon'ny Midiana ny mpanjakan'ny Moaba

Vondron'olona roa samihafa ny Moabita sy ny Midianita, fa ny Midianita dia nipetraka tao amin'ny tanin'i Moaba tamin'izany fotoana izany.

Hihinana ny rehetra izay manodidina antsika tahaka ny omby mihinam-bilona eny an-tsaha ireo maro ireo

Ny fomba handravan'Israelita ny fahavalon'izy ireo dia resahina toy ny hoe omby mihinam-bilona eny an-tsaha izy ireo.

Ary i Balaka zanak'i Zipora no mpanjakan'i Moaba tamin'izany fotoana izany

Io dia fiovana miala amin'ny vontoatin'ny tantara ho amin'ny fampahafantarana fototra momba an'i Balaka.