# Balaka zanak'i Zipora Balaka no mpanjakan'i Moaba. # Zipora Zipora no rain'i Balaka. # Natahotra mafy ny vahoakan'ny Israely i Moaba...nihorohoro tamin'ny vahoakan'ny Israely i Moaba Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany, ary manindry fa tena natahotra Moaba. # Natahotra mafy...i Moaba Eto ny hoe "Moaba" dia manondro ny vahoakan'i Moaba. DH: "Natahotra mafy ireo Moabita rehetra" # Niteny tamin'ireo loholon'ny Midiana ny mpanjakan'ny Moaba Vondron'olona roa samihafa ny Moabita sy ny Midianita, fa ny Midianita dia nipetraka tao amin'ny tanin'i Moaba tamin'izany fotoana izany. # Hihinana ny rehetra izay manodidina antsika tahaka ny omby mihinam-bilona eny an-tsaha ireo maro ireo Ny fomba handravan'Israelita ny fahavalon'izy ireo dia resahina toy ny hoe omby mihinam-bilona eny an-tsaha izy ireo. # Ary i Balaka zanak'i Zipora no mpanjakan'i Moaba tamin'izany fotoana izany Io dia fiovana miala amin'ny vontoatin'ny tantara ho amin'ny fampahafantarana fototra momba an'i Balaka.